4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Manatona - Les Serviteurs et Messagers du Seigneur(SMS)



Tsy mendrika akory aho ny hiantso ny anaranao
Avelao re ny heloko,fa malemy ny nofo
Diso lalà'ny saiko
Saika very ny aiko


Tena hangaina sady maina raha ny ditrako no isaina
Maro loatra ny adalàna,nanjary fanimbazimbana
Ny indrafonao no andrandraiko mba hamelona ny aiko
Ry Tompo tsy mandao,ny foko maizina hazavao

"Ho anao izay mandre izany hira izany ankehitriny
Tsarovy fa mbola miandry anao ny Tompo
Vonona Izy ny handray anao raha mety ianao anio
Mety mbola hisalasala ianao nefa:
Tapaho ny hevitrao
Raiso Jesoa Kristy
fa izay manatona ahy ho Izy dia tsy mba ho laviko mihitsy"


Nanjeny andro lava aho ka nanadino Anao
Efa ho lavo vao nahatsiaro :"Vonjeo ry Ray Mpiaro"
F'Iza indray no antenaiko,soa fa teo ny Raiko


N'iza 'iza hanatona Ahy hoy ny Tompo Izaho tsy handà
Izy no nilaza izao:"Voavela ny helokao"
Ka ami'zao sisa izao,reo tsy nety natao
ariako noho Ianao
Zaho efa olom-baovao



Partager manatona

Commenter manatona

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Les Serviteurs et Messagers du Seigneur(SMS)